Télécharger le N°12 du Gazety paru le 19 Mars 11 cliquer ici

KAREMY : FOTOANA FANANDRATANA NY MAHA OLONA, FAKANA TAHAKA AN’I KRISTY
Karemy ny andro. Mafy tokoa ny tenin’I Masina Maria momba ity vanim-potoana iray ity; ary tsy maintsy lazaina fa ilay fanoharana amin’ny alika dia toa tena manafintohina tokoa ao amin’io hafatra sy ny fisehoana tao Lasalety io.
Namana mahatoky ho an’y olombelona ny alike, nefa tsy dia tsaraloatra ny anjara toerany ao amin’ny Soratra Masina. “ Sahalaamin’ny alike miverina amin’ny naloany, dia toy izany koa ny adala miverina amin’ny hadalany…”( ohabolana 11,26). Ampiharin’I masindahy Piera amin’ny mpamianatra sandoka nanapoizina ny fiainan’ny Fiangonana voalohany io ohabolana io.
Ho an’ny took farany ao amin’ny Apokalipsa kosa, dia tiany horoahina ivelan’ny Fiangonana “ …Ny alika sy ny Mpamohaangatra,ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, ary izay tia lainga na mivelona aminy…”( Ap 22,15).Tsy voalaza hoe: iza ireoalika ireo, fa tsy hahagaga angamba raha voateny etoindray ireo mpampianatra sandoka ireo. Ampitandremin’I Md.Paoly ry zareo Filipianina momba ireo mpampianatra sandoka mirona amin’ny fomba Jody sady manohitra no manenjika azy, “…Mitandrema amin’ny alika…”( Fil3,2)
Mahagaga indray koa ny fanoharana momba ny alike eo am-bavan’I Jesoa tamin’Izy nihaona tamin’ilay vehivavy tsy Jody ( Mt 15,26): Amboany filazany ny Jentily, sahala amin’ny fanaon’ny Jody naira-belona taminy izany. Fa tsy kivy ity vehivavy sirofenisianina, fa ny tenin’Izy Jesoa ihany noamaliany azy, ary mialoha lalana ny fisokafan’ny Evanjely amin’ny Jentily izy amin’izany.
Miainga amin’ireo toe-javatra sy ny zava-misy ao amin’ny baiboly sy ny tantaran’ny Jody ireo dia fantatra fa ny mpampianatra sandoka, ny Jentilynotian-kambara amin’ny fanoharana hoe: ‘Alika”. Raha mampiasa io teny io i Masina Maria tao Lasalety, ny tiany hotonga aoan-tsaintsika dia ireo fihetsiky ny tsy mpino, ny fihetsiky ny vahoakan’Andriamanitra mandritrany Karemy. Ary raha aoaorian’ny fivavahana sy ny lamesa no teneniny izany, dia angamba ny hitarihana ny saintsika amin’izany zava-dehibe amin’ny fiainan’ny vahoakany izany dia ny karemy.
Koa amin’izany ary dia , mampandinika antsika ny karemy, ary azo lazaina fa fotoana iray itsapana ny firaiketantsika amin’ny antso. Fotoana nandalovan’I Jesoa tany an’efitra izy io. Fotoana nanaraka avy hatrany ny nanaovana batemy teoampanombohany ny fiainany am-pahibemaso. Efapolo andro, toy ny famantarana ihany (nefa tena nisy tokoa) izany nitondran’ny Fanahy Masina azy tany an’efitra izany, izay nakana fanahy azysahala amin’ny Vahoakany nalaina fanahy tamin’ny nivoahany hiala an’I Ejipta. Tonga tao Lasalety I Masina Maria hilaza amintsika zanany fa ilaina dia ilaina ho antsika ny fandalovana any an’efitra, ny fitsapana ny firaiketany amin’nyfiantsoana azy hanaradia ny Zanany.
Raha hanaradia an’I Jesoa dia miraka aminy mankany amin’ny fiakarana amin’ny Paka. Mbola tapa-dalana ihany ny fitsapana tany an’efitra fa ny tena faratampony ho Azy diany Fijaliany sy ny Lakroa. Isan-taona dia miara miomana isika rehetra hankalaza ny misterin’ny Paka mandritra ny Karemy: Fandalovana amin’ny Lakroa miarakaamin’ni Kristy,mba hitsanga-kovelonamiaraka Aminy koa.
Fotoana mana-kasina tokoa ny karemy, ary antintranterin’ny Kônsiky ny fanararaotana izany hampidirana ny mpianatra batemy hoamin’ny fiainana kristianina: “ Omanin’ny Fingonana izy ireo mba hirotsaka aoamin’ny misterin’ny Paka, amin’ny alalan’ny Batemy” (AA.n°14). Ny Foto-pampianarana momba ny Fanompoam-pivavavahanakosadiamampahatsiaro ny endri-pibebahana sy fanonerana raiketin’ny Karemy (SC n°109), ary ny anton’izany dia ho fiomanana hatrany hankalaza ny misterin’ny Paka amin’ny alalan’ny VAVAKA-ASA FIANTRANA-FIFADIAN-KANINA. Ny fanatanterahana an’ireo maha olona sy kristianina antsika hampisehoana ao amintsika ny Fanahy ary fisandratana kosa ka tsy hitovy amin’ny biby voalazan’I MasinaMaria tao Lasalety.
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Vavaka hasivian’andro.
( 10 Aprily hatramin’ny 18 Aprily 2011)
Ry Andriamanitra Rainay ô ! Misaotra Anao izahay fa nomenao ny Karemy: fotoana sy andro tsara mba ahafahanay mandinika sy miditra ao anatinay. I Jesoa zanakao dia namela fampianarana sy oha-piainana ho tahafinay. Natrehany ny fakam-panahy, niainany vavaka ary notanterahany ny fifadian-kanina amin’izay tany an’Efitra. Tianao ho efitra mandrakariva ny fiainanay: Efitra mba ahafahana mivavavaka, hahafahana mandresy ny ratsy sy ny fankam-panahy rehetra., Efitra mba hahafahanay hifehy tena amin’ny hanina sy ny filana maro isan-karazany. Ireono toy ny nasehon’I Masina Maria ho anay raha niseho tao Lasalety izy., Efitra mangina,iantsoana fibebahana sy fivavahana ary fandinihan-tena tena izy. Koamangataka ny fahasoavanao izahay nohony vavaka ataon’I Masina Maria sy I Jesoa ho anay mba: hanampy anay amin’ny fibebahana ary mba hahazoanay miaraka amin’izany ny (dia tononina izay fangatahana tiana ho azo) Fantaray fa tsy hanosiboho-tanana aminay ianao izahay izay miezaka hiaina ny Batemy noraisinay sy nanangananaoany ho zanakao. Amin’ny alalan’I Jesoa kristy Zokinay noangatahanay izany. Amen!
Rainay ( 1) Arahaba ry Maria (1)
Ry Marian’I Lasalety mpampihavana ny mpanonta amin’Andriamanitra mivavaha lalandava ho any izay miankina aminao. Amen!
VAOVAO IFAMPIZARANA SY FANGATAHAM-BAVAKA
Ankamantatra izay mahafantara…Izaàry izay? Tonga fety satria fenoherintaona :tsy iza fa ny Gazetintsika “Fitia Lasalety”.
Miloloha ny anaran-dRay no sady misalotra ny anaran-dreny: FITIA LASALETY! Isika rehetra izany no miara-paly kamiarahaba tena. Koa arahaba sarasara Tompokolahy.Salama finaritra Tompkovavy. Misaotra an’Andriamanitra isika fa nahavita dingana taona iray ilay nateraka.Hiara-miredona isika rehetra hiarahaba azy hoe: Tratry ny tsingerin-taona Voalohany nahaterahana ê! Ianareo Tanora kosa hiara manandratra ny hira hoe: “ JoyeuxAnniversaire! Happy birthday to you!”
Vao miana mamindra izy ity, ka mila antsika rehetra hanao talaky mandeha. Faingy efa mahay miteny sy be resaka kosa, satria mba nandre ihany koa ny Hafatra napetran’Ilay RamatoaTsara Tarehy niseho tany Lasalety manao hoe: “ Izany àry , rankizy, aelezoamin’ny vahoakako izany tenikoizany.” Fanandratana FIHAVANANA, fanaovana ASA SOA maro samihafa. Fa indrindra mandrintra izao fotoan’ny Karemy izao. Izany rehetra izany no azo heverina fa hanampy amin’ny fanamaivanana ny Sandrin’I Jesoa Kristy Zanany. Alao hedry àry Tompoko! Ho ela velona anie ny Gazety FFTIA LASALETY. Birao Foibe