Administration
Province de FRANCE
CIRCULAIRE
du P. Frantz Monet ms, Supérieur provcincial
Cliquer ici
|
Teny ifanolorana
“Ary Indro aho eo aminareo mandrankariva, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”, Mt 28,20
Mankalaza ny fetin’ny “Ascension”, na ny Fiakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra isika amin’ity herinandro ity. Matetika ny sarisary ao an-tsaina amin’izao fankalazana izao dia hoe Fiaingàna (départ), i Jesoa Kristy mandao antsika. Ny evanjelin’i Matio anefa dia manaitra ny saintsika tsy hihevitra ity fankalazana ity ho fandaozan’i Kristy antsika zandriny, fa kosa Izy miara-monina amintsika amin’ny endriny vaovao:
Nasain’i Jesoa nankany amin’ tendrombohitra any Galilea ny mpianatra: Galilean’ny jentily. Galilean’ny olona samihafa foko sy fiteny, Galilean’ny mpino sy ny tsy mpino, Galilea mampiombona ny rehetra... Mba diniho hoe aiza ho aiza ilay Galilea hanirahana antsika mpianatra mpanara-dia an’i Jesoa isanandro?.
- Ary i Jesoa nanatona azy ireo sy nanao hoe Efa nomena ahy ny fahefana rehetra na any an-danitra na ety an-tany: Andriamanitra manatona antsika, Izy no tia antsika mialoha, Izy no miteny sy manafatra antsika... koa inona no avalintsika? Inona no toe-po sy toe-panahy asehontsika fa manam-pinoana isika ary mandray ny hafatra?... Manatòna rankizy fa aza matahotra, indro hilaza Vaovao lehibe aminareo aho, hoy Maria tany Lasalety, ... Mba diniho hoe amin’ny fotoana inona tokoa isika no manongilan-tsofina sy vonona mihaino ny bitsik’Andriamanitra miteny ao am-po?.
- Mandehana ianareo mampianara ny firenena rehetra: Ny olona rehetra, ny sahirana rehetra, ny manan-katao koa; ny marary rehetra, aza hadino koa ny salama; ny mpanota rehetra, fa eo koa ireo miezaka ho olomarina; ny mpiavonavona sy mpanjakazaka rehetra, fa eo koa ny olon-tsotra tsy misy fitaka mpandova ny lanitra; Ny mpanakorontana sy tia romoromo, fa indrindra ny tia fihavanana sy tia fiombonana, ireo mpanao valifaty sy andolom-po, fa eo koa ny be fangorahana sy mpamindra fo... Ampianaro izy rehetra, ary ataovy tonga mpianatro !... Mba diniho hoe aiza ho aiza no misy antsika, ho mpampianatra modely arahina sa ho mpianatra mahay mandray ? samy izy ireo e!
- Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva: Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona miara-monina amintsika mandrakariva, isanandro, isanora, isaminiotra, isantsegondra...amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toerana rehetra... Mba diniho hoe isika ve mahatsiaro fa velona isan’andro ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra e? ALAO HERY ARY E
Bonne fête de l’Ascension isika mianakavy e
Jeannot Pierre Rakotonindrainy, ms

|